Toa ranomasina mangeniheny, Izany fitiavako anao
Tsapako te-hitraotra feno dia feno, Ny fitempony ao anatiko ao
Io ranomasina mangeniheny, Ampitondraiko hafatra ho anao
Izy ihany no mampisaraka antsika, Izaho ety ianao eny am-pita
Manantena fa indray andro, Ho resy ny elanelan-tany
Hiara-hibanjina ho avy iray, Tsy asiana ahiahy
Satria toky nomenao ahy, Hifankatia mandrakizay
Ilay ranomaso nikija omaly, Nanjary fifaliana indray
Hasambarana mameno ny fo, No nisolo ilay ratra taloha
Ilay ranomaso nirotsaka omaly iny, Hoadinoina avalona ho any
Ilay hafatro aza tafita soa, Lavitry ny maso akaikiníny fo
Manantena fa indray andro, Ho resy ny elanelan-tany
Hiara-hibanjina ho avy iray, Tsy asiana ahiahy
Satria toky nomenao ahy, Hifankatia mandrakizay
Satria toky nomenao ahy, Hifankatia mandrakizay